Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fomba sy kolontsaina : miketrika hamotika ny firenena ny volambita

Fomba sy kolontsaina : miketrika hamotika ny firenena ny volambita

Nanao ny nataony, nilaza ho nanamarika ny taombaovaony ireo andian’olona maromaro tetsy Analakely sy Ambohimanga, omaly. Fiketrehana tsotra izao ny hamonoana ny hasina sy ny kolontsaina anefa izany. Mifanipaka amin’ny hasin’ny tanàna ny omby mainty nanaovana sorona. Ireo fihetsika sy fomba natao rehetra ary ny vanim-potoana, mifanohitra amin’ny kolontsain’ny Ntaolo. Volambita na septambra na adimizana midika ho fihetsehan’ny hadalana sy ny adala. Mihetsika haromontana ny biby, indrindra ireo misy poizina mamono. Volana ho an’ireo mpandroba sy mpivarotra tanindrazana ary ny mpanongam-panjakana. Famotehana sy fanotana fady ny firenena sy ny tanindrazana, miainga amin’ny tantaram-pirenena. Manamarika izany ireo daty maromaro amin’ny volambita na septambra teto amintsika, nifandray tendro amin’ireo mpanjanaka. Nipoitra sy niseho masoandro izany izao, niainga tamin’ireo hetsika, omaly, ireo niafina hatramin’izay ?

Mifanohitra tanteraka amin’ny alahamady, avrily sy marsa ny volambita. Maneho ny avaratra atsinanana ny alahamady, mariky ny taom-baovao, fiandrianana, mpitondra, vary, zokiolona sy ray aman-dreny…

Manaporofo izany ny lahatsoratra nalaina tao amin’ny boky Ratany, mpampianatra tao anatirova,  nosoratan-dRanianarivelo Lucien.

Randria

 

Les commentaires sont fermées.