The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Manangona, mampiseho ary mampivoitra ny fifampiresahana antserasera manerantany ny Global Voices sady mamoaka ny vaovaon ny toerana sy vahoaka tsy voaresaky ny fampahalalambaovao hafa


2010-03-26

Trinidad & Tobago

“Nanoaka aho halina raha nahare tamin'ny vaovao navoakan'ny televiziona rehetra misy eto an-toerana nitatitra ny nanafihan'ny polisy, malaza amin'ny fankatoavana ny lehibeny tsy azo anaovana kolikoly, ny biraon'ny UDeCOTT, ny biraon'ny Sunway International ary ny tranon'i Calder Hart, angamba eo ampikarohana ny ambim-bolan'ny Trésor”: Nolazain'ny This Beach Called Life fa tsy manambola [hanodinana ny raharaham-panjakana] intsony i Trinite sy Tobago.

Janine Mendes-Franco

2010-03-25

Shina: nifindra ho an'ny Hong-Kong ny google.cnVideo post

Nanapa-kevitra ny handao an'i Shina ihany ny Google. Vantany vao nahavita ny fanambarana ny Google dia nitsahatra tamin'ny fnaovana sivana ny tadiavina amin'ny milin-karoka ao amin'ny google.cn amin'ny familiana hankany amin'ny google.com.hk. Ao amin'ny bolongana ofisialin'ny Google i David Drummond, lehiben'ny fiandraiketana ny lafiny lalàna no manazava fa ny anton'izao fanapahan-kevitra ...

2010-03-24

Madagascar

Nampitain'ny namana Tomavana fa niakatra be ny isan'ny aina nafoy araky ny tatitra farany nampitain'ny tompon'andraikitra, taorian'ny fandalovan'ny rivomahery Hubert tany Madagasikara, raha 36 izany tamin'ny herinandro lasa dia tafakatra 78 kosa ankehitriny ary mahatratra 145′000 ireo tra-boina. Ambarany koa fa nohon'ny tondra-drano tsy an-kijanona, dia manahy ny fiverenan’ny areti-mifindra “Kilalaka 2010” na Chikungunya ireo mpitsabo any an-toerana.

2010-03-21

Masedoana: Raha tsy nisy ny aterinetoVideo post

Samy nanome ny valinteniny avy na ny mpamaham-bolongana na ny mpampiasa fitaovan-tserasera vaovao tamin'ny fanontaniana manao hoe “Ahoana ny nanovan'ny aterineto ny fiainanao?”, ao amin'ny lahatsoratra [MKD] iray amin'ny hita ao amin'ny vohikala miteny Masedoniana an'i BBC. Darko Buldioski ao amin'nyKomunikacii.net moa nampihatra ny fanaon'ny Slavy mamantatra ny valin'ny fanontaniana mifamaly aminy ...

2010-03-20

Kazakhstan: Tondra-drano nahafaty olona 47, an-jatony maro no tsy manan-kialofana

Olona aman'arivony no nafindra toerana taorian'ny fianjeran'ny barazy 2 tany Kazakhstan ny alakamisy sy zoma lasa teo. Tao amin'ny distrikan'i Aksuiky, ao avaratry ny renivohitra ekonomika Almaty no niseho ny loza. KZblog milaza: Tamin'ny alakamisy dia nirodana ny barazy tao amin'ny faritry Karatalsky, fivondronan'i Almaty, taorian'ny fitsonihan'ny ranomandry be loatra. Nialokaloka ...

2010-03-17

Gresy: Fitokonana faobe miharo gidragidraVideo post

Notsenain'ny fanafihan'ny polisy avy hatrany, araka ny notaterin'ny olo-tsotra mitati-baovao, ny fitokonana faobe andiany faharoa enti-manohitra ny famehezan-kibo napetraky ny minisitry ny fitantanam-bola faritra Eoropa notanterahina tany Athena sy tany Thesalonika tamin'ny alakamisy 11 marsa. Olotsotra tsy reraka mamoaka sary eo noho eo “Nitondra ny andro” indray tamin'ny alalan'ny fampiasana ny Twitter ...

2010-03-16

Miteraka fikorontanana ny tantara “fanampiana ho an'ny fitaovam-piadiana” Etiopiana

Niteraka fikorontanana be ny BBC tamin'ity herinandro ity noho ny tantara iray milaza fa nampiasain'ireo mpihoko nividianana fitaovam-piadiana ireo dollar an-tapitrisany maro nalefa hanampiana ireo fianakaviana tratran'ny hanoanana tany Etiopia tamin'ny taona 1980. Nanohitra izany tantara izany ireo mpihoko, izay manjaka ao amin'ny governemanta Etiopiana, sy ireo ...

Ejipta: Fanapahan-kevitry ny governemanta hanakana ny Skype mampiasa ny Modem USB

Global Voices Advocacy
Toa miezaka ny hifehy ny habaky n y aterineto ny governemanta Ejiptiana raha ny tsaoa ary ireo mponin'ny aterineto dia miroso hatrany mankany mankany. Na dia hoe, tsy ananana porofo aza ny andrana maro nataon'i Ejipta hifehezana ny vohikala sy ireo tolotra anivon'ny aterineto, dia maro ny làlana arahan'ny governemanta ...