Frantsa

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

République française ((fr))
Repoblika frantsay ((mg))
Sainan'i Frantsa Faneva an'i Frantsa
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Liberté, Égalité, Fraternité
EU location FRA.png
Teny ofisialy frantsay
Renivohitra Paris
48°52′N 2°19.59′E / 48.867°N 2.32650°E / 48.867; 2.32650
Tanàna ngeza indrindra Paris
Fitondrana sy governemanta
 - filoha
 - Praiministra
Repoblika
François Hollande
Manuel Valls
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 41[1]
675 417[2] km²
0,26%
Isam-ponina
 - Tontaliny (Janoary)
 - hakitroka
faha 21
65 073 482[3] mpo.
96,3[4] mpo./km²

Endrika:Formation pays

Anaran'ny mponina Frantsay
IDH (2006) 0,955 (ambony be) faha 11
Sandam-bola Euro sy Franc CFP[5],[6] (EUR)
Fiozao ny ora UTC +1 (CET) ;

hora fahavaratra : UTC+2 (CEST)

Hiram-pirenena 'La Marseillaise'
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+33

Frantsa na Repoblika Frantsay (amin'ny teny frantsay: République Française) dia firenena mpikambana amin'ny Vondrona Eoropeana. Any Eoropa andrefana ny misy azy. Manana zanatany maromaro i Frantsa, ny ngeza indrindra amin'izy ireo dia ny Guyane Française.

Ny renivohiny, Paris, dia anisan'ny be mpitsidika indrindra eto an-tany, 45 tapitrisa ny isan'ny mpitsidika mandeha any isan-taona. Manam-pivelarana 675 417 km2 i Frantsa raha kaontina ny fivelaran'ny zanatany. Ny isan'ny mponiny dia nikaonty 65,1 tapitrisa tamin'ny 1 Janoary 2009[7].

Ny teny frantsay ny tenim-pirenenan'i Frantsa. Kanefa ny teny hafa tenenina any frantsa dia miisa dimy ambin'ny folo raha kaontina ny teny tenanin'ny vahiny[8]. Any frantsa no be mpiteny frantsay indrindra ao aorian'i Repoblika Demokratikan'i Kongo.

Ny fiangonana any Frantsa dia fiangonana katôlika, 51-64 isan-jaton'ny frantsay no vita batemy. Fa milaza agnôstika ny 32 isan-jaton'ny frantsay, ary mitovy isa ny isan'ny tsy mpino[9].

Ny andriky ny toe-karenan'i lafrantsa dia kapitalista, fa betsaka ihany ny orinasa tantanan'ny firenena teo aorian'ny Ady Lehibe Faharoa, mba hamerina ny herin'ny ekonomiany. Fa tamin'ny 1980, nisy reforma be dia be natao mba hanao privatisatio ny orinasa pioblika (publique). Tamin'ny 2008, lafrantsa ny tanjaka faha dimy eo an-tany, eo aorian'ny Etazonia, ny Japana, ny Sina sy ny Alemaina.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Fiavin'ilay anarana hoe « France »[hanova | hanova ny fango]

Ny anarana Frantsa dia avy amin'ny teny frantsay hoe France avy amin'ny teny latina Francia. Tamin'ny voalohany, tenenina hoe Francia ny faritany avaratr'i Eoropa misy mponina Jermanika mitondra anarana hoe Franka. Fizarana latina tamin'ny taonjato faha 3 ny francia, avy amin'ny fiteny franka franko(n) izy io  ; io anarana io dia anaran'ny flandira Belzianina ankehitriny.

Jeografia[hanova | hanova ny fango]

Sisintany[hanova | hanova ny fango]

Ny tany frantsay any Eoropa dia voafaritra amin'ny Ranomasimbe Atlantika any andrefana, voafaritra ny La Manche (ranomasina manasaraka azy amin'ny Englandy) sy ny Ranomasina avaratra any avaratra, voafaritry ny Belzika, Luxembourg, Alemaina, Soisa sy ny Italia any atsinanana, ary ny ranomasina Mediteranea, Andora, Monako sy Espaina any atsimo.

Ny (zana)tany frantsay amin'ny kontinanta dimy dia voafaritr' Brezily sy Surinam any amin'ny Guyane Française, voafaritr'i Kanada any Saint-Pierre et Miquelon ary voafaritry ny Fanjakan'ny Holandy any amin'ny Nosy Masina Martin, voafaritry ny ranomasina koa ny tany frantsay : ny Ranomasimbe Pasifika any Polinezia, ny Ranomasimbe Indianina any Mayotte sy any La Réunion, ny Ranomasina Karaiba any Guadeloupe, any Martinique, any amin'ny Nosy Masina Martin ary ny Nosy Masina Barthelemy.

Any andrefan'i Eoropa no misy ny tanin'i Frantsa metropolitany. Manana (zana)tany koa ny laftantsa any ivelan' Eoropa : Any Amerika Avaratra, any Antila, any Amerika Atsimo, any Afrika (Ranomasimbe Indianina) any avaratra sy any atsimon'ny Ranomasimbe Pasifika sy any Antarktika. 2 970 km ny halava ny sisintany zarainy amin'ny firenena valo (any eoropa) : Espaina (650 km), Beljika (620 km), Soisa (572 km), Italia (515 km), Alemaina (450 km), Luxembourg (73 km), Andora (57 km) ary Monako (4,5 km). Any Amerika Atsimo, mizara sisintany amin'i Brezily (720 km) sy Surinam (520 km) ny Guyane Française. Misy sisintany manana halavana 10,2 km (tsy tena hita maso) eo amin'ny nosy Masina Martin manasaraka ny tanin'ny Repoblika Frantsay sy ny tanin'ny Fanjakanan'i Holandy. Amin'ny farany, ny Tany Adelia (ao amin'ny TAAF), lazain'i Frantsa ho azy, dia tany be ao Antartktika lazain'i Aostralia ho azy.

Ny frantsa metropolitany dia manam-pivelarana 543 965 km2 (655 688 km2 miaraka amin'ny zanatany), mivelatra 1 000 kilometratra ny lafrantsa amin'ny teza avaratra-atsimo sy amin'ny teza atsinanana-andrefana. Izy ny firenena ngeza indrindra eo aorian'i Rosia sy Okraina ; ary izy ny firenena ngeza indrindra ao amin'ny vondrona Eoropeanina. Ny halava ny amorontsirany dia misy 3 427 km (raha tsy kaontiana ny amorontsirak'i Korsa miisa 1 000 km).

Demografia[hanova | hanova ny fango]

ny hakitroky ny departemanta frantsay

Miisa 65 073 482 ny isan'ny olona miaina any frantsa tamin'ny 1 Janoary 2009[10]. 62 448 977 no miaina any amin'ny metrôpôly. Misy census atao isan-taona tamin'ny taona 1801 hatramin'izao, fa tamin'ny fanombohan'ny taona 2004, atao lalandava ny census.

Ny isa-mponin'i lafrantsa

Anisan'ny ambony indrindra any eoropa ny fitombo ny isam-ponina any Frantsa, ambon'ny nohon'ny elanelana eoropeanina ny isan'ny teraka any Frantsa (830 900 ny teraka ary 531 200 ny maty), ary mihakatra ny solde migratoire (olona 100 000) : noho izany dia nihakatra 0,61 isan-jato ny isam-poninan'i Frantsa.


Mponina[hanova | hanova ny fango]

Fiteny[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny frantsay izay fehezin'ny akademia frantsay no be mpiteny indrindra any Frantsa, ary "fitenin'ny Repoblika" hatry ny lalàna ara-dalam-panorenan'ny 25 Jiona 1992[11]. I Frantsa no firenena miteny frantsay faharoa lehibe indrindra aorian'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo[12], fa voalohany amin'ny lafin'ny isan'ny mpiteny. Firenena mpikambana ao amin'ny Fikambanana iraisam-pirenen'ny frankôfônia i Frantsa.

Ankohatry ny frantsay ofisialy, fiteny 75 no notenenina tany Frantsay, miaraka amin'ny fitenim-paritra, ny fiteny avy amin'ireo mponina vahiny ary ny fiteny tenenina eny amin'i DOM-TOM, araky ny tatitry ny mpahaitsikerafiteny Bernard Cerquiglini[13].

Finoana[hanova | hanova ny fango]

Fanabeazana[hanova | hanova ny fango]

Fahasalamana[hanova | hanova ny fango]

Aino aman-jery[hanova | hanova ny fango]

Fanatanjahan-tena[hanova | hanova ny fango]

Rohy Ivelany[hanova | hanova ny fango]

  1. Isa-mponina eo amin'ny CIA world factbook
  2. 543 965 any France metirôpôlitany. manana 42=32 000 km2 koa ny firenena frantsay any Terre Adelie tamin'ny 1959.
  3. Isa hoan'ny repoblika frantsay INSEE, misy 62 448 977 any Frantsa metirôpôlitany.
  4. isam-ponina/km² any frantsa metirôpôlitany : 114,86
  5. Franc Frantsay taloha ny taona 2002.
  6. Franc CFP Mbola miasa any amin'ny zanatany frantsay any Ôseania :
    1 000 XPF = 8,38 EUR exactement, soit 1 EUR ≈ 119,3317 XPF environ (source officielle IEOM)
  7. ((fr)) http://www.insee.fr/fr/themes/document.asp?ref_id=IP1220&reg_id=0#inter1
  8. http://www.culture.gouv.fr/culture/dglf/lang-reg/rapport_cerquiglini/langues-france.html#ancre84582
  9. http://www.harrisinteractive.com/news/datatables/FinancialTimes
  10. INSEE - Bilan démographique 2008
  11. LOI constitutionnelle n° 92-554 du 25 juin 1992 ajoutant à la Constitution un titre : "Des Communautés européennes et de l'Union européenne" (1)
  12. Repoblika Demokratikan'i Kongo
  13. Les langues de la France