Balkana

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Ny Balkana ara-jeografia

Ny Balkana dia manono ny firenena ao amin'ny tanjona (péninsule) Atsinanan'i Mediteranea. Ny firenen'ny Balkana dia : Grisy, Kroasia, Romania, Albania, Masedoana, Serbia-sy-Montenegro, Ny Bosnia-Herzegovina ary ny Slovenia.

Ny anarana balkana dia avy amin'ny fiteny torka midika « vato malama », ary tamin'ny taonjato faha 19 io teny io no nampiasaina ho an'ny faritan'i Bolgaria, ary nampiasaina teo aorian'io fotoana io ho an'ny tanjon' Eoropa Atsimo Atsinanana. Hatrin'io, niova dika im-betsaka ny teny « balkana ». Tamin'ny Ady lehibe voalohany, nanomboka tamin'ny famonoana ny archiduc François-Ferdinand tany Sarajevo, any Bosnia, ny faritan'ny Balkana dia nolazaina hoe « Vanjan'Eoropa », dikan'izany faritany be ady ara-poko. Tety aoriana, ny Balkana dia manono ny firenen'ny Yogoslavia taloha.