Etazonia

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
United States of America ((en))
((en))
Etazonian'i Amerika ((mg))
Sainan' Etazonia Mari-piandrian' Etazonia
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra :
(1776 - ankehitriny) E Pluribus Unum
(latina : «Tokana avy amin'ny maro»)
(1956 - ankehitriny) In God We Trust
(Anglisy : «Andriamanitra no itokiantsika»)
Location United States.svg
Teny ofisialy Faritra federaly Anglisy Amerikanina avy hatrany

Teny ofisialy ny teny anglisy anaty ny staty 30

20 % ny mponina miteny teny afa, ny teny espaniola tena be indrindra

Renivohitra Washington, DC
38° 53' N, 77° 02' O
Tanàna ngeza indrindra New York
Fitondrana sy governemanta
 - Filoham-pirenena
Repoblika federaly
Barack Hussein Obama
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 4
9 629 048 km²
2.20
Isam-ponina
 - Tontaliny (2007)
 - hakitroka
faha 3
302 074 000 mpo.
31,15 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Amerikana
IDH (2005) Mihakatra 0,948 (ambony) faha-12
Sandam-bola Dollar Amerikana (USD)
Fiozao ny ora UTC -5 -10
Hiram-pirenena The Star-Spangled Banner
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+1

Ny Etazonia dia firenena any Amerika Avaratra izay mizara ho faritra mizakatena (state) dimampolo, distrika federaly iray ary, faritra ivelany (territory) 14. Ny firenena Kanada no manamorona azy ao avaratra, Meksika kosa avy atsy atsimo. Ny ranomasina Atlantika sy Pasifika no sisin-taniny atsinanana sy andrefana. Ny faritra iray izay atao hoe Alaska dia any avaratr'i Kanada no misy azy ary ny andian'nosy Hawaii dia any amin'ny ranomasina Pasifika.

9,7 tapitrisa kilaometatra toradroa ny fivelarantany misy azy, ary faha-efatra eran-tany izy amin'ny fivelaran-tany sy ny isan'ny mponina monina ao aminy. Izy no firenena manana toe-karena matanjaka indrindra eran-tany.

Jeografia[hanova | hanova ny fango]

Ny Etazonia dia manam-pivelarana 9,6 tapitrisa km2 ary milahatra faha efatra amin'ny firenena ngeza indrindra eto an-tany. Betsaka ny potentialité sy ny harena an-kibon'ny tany misy any, izay kosa dia manazava ny hery ara-toe-karenan'i etazonia . Tamin'ny fahaleovantenany tamin'ny taonjato faha 17, repoblika federaly mikaonty faritra mizakantena dimampolo manam-pahefana ny etazonia. Ny renivohiny dia Washington D.C, fa New York ny tanàna ngeza indrindra sy manan-karena indrindra. Nihoatra 300 tapitrisa ny isan'ny olona tamin'ny taona 2008, noho izany, anisan'ny firenena be olona indrindra ny Etazonia eo aorian'i Sina sy ny vondrona Indianina. Ny Etazonia dia firenena manan-karena indrindra eto an-tany.

Ny tondro ara-jeografiany amin'ny ankapobeny[hanova | hanova ny fango]

Ny Etazonia dia firenena fahaefatra ngeza indrindra eto an-tany (9 631 417 km2) eo aorian'ny Rosia, ny Kanada ary ny Sina. Ny hangezan'ny tany amerikana dia saika hangezan'ny kontinenta eoropeana na in-15-n'i Madagasikara. Any Amerika Avaratra no misy ny Mainland na ny Renitany, ao amin'io Mainland io ny 48 amin'ny 51 faritany mizaka-tenan' Etazonia. Ny endriky ny Mainland moa dia dimilafy ivelaran'ny fiozaon'ora dimy. 4 500 kilometatra ny halaviran'ny amorontsiraka Atlantika sy ny Amorontsiraka Pasifika, ary 2 500 kilometatra ny halava ny dia tokony atao raha miainga ao Meksika ka raha te-ho any Kanada. Ny tontalin'ny sisin-tany zarain' Etazonia amin'ny firenena hafa dia misy 12 034 km ; 8 893 km miaraka amin'i Kanada, (2 477 km miaraka amin' Alaska), 3 141 km miaraka amin'i Meksika ary 28 km miaraka amin'i Kioba (any Guantanamo). Ny halava tontalin'ny amorontsiraka dia 19 924 km.

Fifandraisana any ivelany sy ny tafika[hanova | hanova ny fango]

Demôgrafia[hanova | hanova ny fango]

Ny Etazonia dia olona avy amin'ny foko maro samy hafa sy ny foko samihafa. 80% ny olona ao amin'ny Etazonia States taranaky ny mpifindra monina avy any Eoropa. Olona avy any Alemaina, Angletera, Ekosy, Irlandy, Afrika, ary Italia. 13% ny olona any Etazonia dia Afrikana-Amerikana. Ny ankamaroan'izy ireo hidina avy any amin'ny andevo Afrikana izay nentina tao Amerika. Amerikana Aziatika dia 5% -n'ny mponina any Amerika, fa ho lehibe kokoa ny anjara ao amoron-tsiraka andrefana. Ohatra ao California, Azia-Amerikana ho ny 13% -n'ny mponina ny fanjakana izany. Ny hispanika-Amerikana, na ny olona ny teny niaviany ho ny 15% amin'ny firenena. Ny Teratanin'i Amerika sy ny Inuit (Eskimos) dia vondrona kely dia kely.

11% ny olona any Etazonia dia teraka tany ivelany. 18% no miteny fiteny hafa ankoatra ny teny anglisy ao an-trano. Ho an'ny olona 25 taona no ho miakatra, 80% no nahazo diplaoma sekoly ambony raha 25% dia manana ny mari-pahaizana lisansa, na kely na ambony kokoa.

Ny fanisam-bahoaka ny taona 2000 dia ahitana tatitra mikasika ny razamben'ny mponina. Avy amin'izany dia 43 tapitrisa alemà-Amerikana, 30,5 tapitrisa irlandey-Amerikana, 24,9 tapitrisa Afrika-Amerikana, 24,5 tapitrisa Anglisy-Amerikanina, sy 18.4 tapitrisa Meksikana-Amerikana.

Politika[hanova | hanova ny fango]

Ny Etazonia dia ahitana faritany miazaka tena 50, 5 faritany 5 sy distrika 1 (Washington DC). Hoy ny lalàna momba ny afaka manao zavatra ao amin'ny fanjakana, fa ny lalàna federaly matetika momba ny zavatra mifandray amin'ny fanjakana mihoatra ny iray, na mifandray amin'ny firenen-kafa. Any amin'ny faritra sasany, raha ny governemanta federaly no manao lalàna izay milaza zavatra hafa avy amin'ny fanjakana ny lalàna, ny olona dia tsy maintsy manaraka ny lalàna federaly, satria tsy manan-kery intsony ny lalàn'ny faritany. Faritany samy manana ny lalam-panorenana ny tenany, hafa noho ny lalam-panornana federaly (nasionaly).

Ny federaly sy ny fanjakana indrindra ny fitondram-panjakana dia anjakan'ny antoko politika roa: ny repoblikanina ary ny demokraty. Misy ihany koa ny antoko kely kokoa maro be; ny lehibe indrindra amin'ireo dia ny Libertarian Party sy ny Antoko Maitso. Ny olona dia afaka manome vola izay tiany ho an'ny fampielezan-kevitra ara-politika , ary miezaka ny mandresy lahatra ny mpanao politika mba hanampy azy ireo. Izany no antsoina hoe lobbying.

Nanomboka tamin'ny 2009, ny filoha dia Demokraty, ka demokraty manana fahefana kely kokoa ao amin'ny governemanta federaly. Na izany aza, dia mbola maro repoblikanina mahery izay afaka hisakana ny demokraty tsy hanao zavatra izay inoany ho ratsy ho an'ny firenena.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Fanomboan'ny Tantarany (1776-1917)[hanova | hanova ny fango]

Saika mpiavy ny olona rehetra ao aminy, na ny tera-tany aza. Ny zanatany Anglisy 13 izay niforona teo amin'ny sisn-dranomasina Atlantika ary nanambara ny fahaleovan-tenany tamin'ny 4 Jolay 1776 no lasa Etazonia amin'izao fotoana izao. Nanomboka teo dia nihitatra nankany andrefana ny sisin-tany ka resy tosika ireo foko isan-karazany izay nonina tao talohan'ny eoropeana. Toa izao ny fivoaran'ny fahazoany ny tany[1]:

  • 1798 dia teo am-pelatanan'ny Amerikana ny faritra atsinanan'ny renirano Mississippi manontolo.
  • 1803 dia novidiny avy tamin'ny Frantsay ny faritra lemaka andrefan'ny Mississippi.
  • 1818 notapahina niaraka tamin'ny Anglisy ny tokony ho sisin-tany avaratra
  • 1819 nanome tany vitsy any Louisiana sy Colorado Espana izay resy an'ady
  • 1845 nahaleo tena tamin'ny Meksika ny Texas ka nivondrona tamin'ny Etazonia
  • 1846 nomen'ny Anglisy ny faritra Oregon
  • 1848 nomen'ny Meksika izay resy an'ady ny faritraha misy ny Kalifornia ankehitriny
  • 1853 novidina tamin'ny Meksika ny faritra atsimon'i Arizona
  • 1857 novidina tamin'ny Rosia ny Alaska
  • 1898 nozanahina ny nosy Hawaii
  • 1898 nomen'ny Espana izay resy an'ady ny nosy Porto-Rico
  • 1917 novidina tamin'ny Danimarka ny nosy Virgin Islands sy ireo nosy madinika manodidona azy.

Lasa Firenena Matanjaka (1914-1945)[hanova | hanova ny fango]

Taorian'ny Ady Lehibe Voalohany 1914-1918 vao azo lazaina hoe firenena anisan'ny matanjaka eran'izao tontolo izao ny Etazonia. Niharan'ny fahantrana mafy anefa izy taorian'ny taona 1929. Tsy nitsahatra izany raha tsy tapitra ny Ady Lehibe Faharoa (1945). Ka nanomboka ny Ady Mangatsiaka niaraka tamin'ny Fanjakana Sovietika.

Ny Ady Mangatsiaka (1945-1991)[hanova | hanova ny fango]

Firenena Matanjaka tsy Manampaharoa (1991- ankehitriny)[hanova | hanova ny fango]

Rehefa nirava ny Fanjakana Sovietika 1991 dia lasa ny Etazonia irery no firenena matanjaka eran'izao tontolo izao. Hita izany amin'ny alalan'ny herisetra izay azony atao ka tsy mila miera amin'ny Firenena Mikambana izy. Ankehitriny dia ny mandamintany any Iraka sy Afganistana ary ny fiadiana amin'ny mpampihorohoro silamo no zavadehibe aminy.

Jereo Koa / Lahatsoratra ilaina[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa/Lahatsoratra ilaina[hanova | hanova ny fango]

Rohy Ivelany[hanova | hanova ny fango]