Sôsialisma

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy

Ny sosialisma dia rafitra ara-toekarena sy ara-politika izay ahitana mpiasa mifehy ny fomba famokarana, toy ny milina, na toeram-pambolena, amin'ny toeran'ny mpampiasa. Ireo olona izay manohana izany fiaraha-monina miara-miasa izany dia antsoina hoe sosialista. Ny finoana manan-danja iray dia hoe tokony natao ho an'ny fampiasan'ny vahoaka fa tsy natao hahazoan-tombony ara-bola ny famokarana servisy sy fitaovana. Ny sosialista dia mino ihany koa fa ny zavatra rehetra amin'ny fiaraha-monina dia nataon'ny asa miaraky ny vahoaka.

Misy karazany maro ny sosialisma, ka tsy misy famaritana azo ampiharina amin'ny rehetra; na izany aza, amin'ny karazany rehetra, ny mpiasa no manana ny fitaovana famokarana. Ny fahasamihafana lehibe eo amin'ny karazana samy hafa dia ny andraikitry ny tsena malalaka na fandaharana, ny fomba fananana ny fomba famokarana, ny andraikitry ny fitantanana ny mpiasa ary ny anjara asan'ny governemanta eo amin'ny toe-karena.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.