Wikipedia:Mombamomba

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy

Ny Wikipedia amin'ny ankapobeny, ary ny Wikipedia amn'ny teny malagsy[hanova]

Wikipedia dia marika napetraky ny fikambanana amerikanina Wikimedia Foundation (WMF). Izy io dia manan-tanjona ny hanangona ny fahaizan'ny olona manerana izao tontolo izao ary mizarazara azy araka ny lisansa hahafahana mizarazara azy am-pahalalahana: ny lisansa Creative Commons fanomezana ny lisitra manontolon'ireo mpamorona ilay votoatiny notsongaina ary fizarana azy amin'ny lisansa mitovy[1] ho an'ny lahatsoratra vao nitranga vao haingana ary ny lisansa GFDL (GNU Free Documentation License) ho an'ireo lahatsoratra izay nitranga talohan'ny nampiharana ny lisansa CC-by-SA.

I Wikipedia dia tetikasa iray an'i Wikimedia Foundation izay manan-tanjona ny hanangona ny fahaizan'ny olombelon'izao tontolo izao amin'ny teny malagasy.

Eto amin'i Wikipedia, azon'ny tsirairay atao ny manova, mamorona ny fampahalalana am-pahalalahana. Azy zon'ny tsirairay mpitsidika ny manova ary manatsara ny votoatiny ato amin'i Wikipedia.

Ny Wikipedia dia avy amin'ny fiteny hawaianina wiki izay midika maika ary pedia izay avy amin'ny teny anglisy Encyclopedia izay teny azo dikaina "raki-pahalalana". Ny fotokevitry ny sehatra mampiasa mpanangom-botoatiny (web software) wiki dia fahafahana manova ary mamorona votoatiny amin'ny alalan'ny mpitety tranonkala.

Ny isan'ny fiteny manana ny wikipedia-ny manokana dia 270 (tsy isaina ireo Wikipedia izay nakatona noho ny tsifisiana fikambanana maharitra). Ny Wikipedia amin'ny teny malagasy amin'izao fotoana izay ahitana lahatsoratra 81 096. Ny isan'ireo mpikambana nisoratra anarana teto dia 10 238. Samihafa mazava ho azy ny fandrosoan'ny Wiki tsirairay : misy ireo Wiki amin'ny teny lehibe (teny eoropeanina izay teny ofisialin'ny Firenena Mikambana), ary misy ireo Wiki amin'ny fitenim-paritry ny firenena be fiteny. Ny isa manontolon'ny mpandray anjara mavitrika (mpikambana nisoratra anarana izay nanova indray farafahakeliny eo amina wiki iray) eo amin'i Wikipedia dia eo amin'ny 1,5 tapitrisa eo ho eo isam-bolana.

Ny tetikasa Wikimedia[hanova]

Ny fikambanana WIkimedia dia fikambanana tsy manan-tanjona ny hanangombola izay iharan'ny 501(c)(3) ny kaodin-ketra (code fiscal) an'i Etazonia. Izy io no mampiantrano ireo tetikasa manam-botoatiny malalalaka toa i Wikipedia. Ka noho izy mpampiantranon'ny tetikasa Wikimedia dia tsy manana zo fanontana na inona na inona izy eo amin'ny votoatin'i Wikipedia.

Azonao atao ny manao fanomezana an'ny tetikasa Wikimedia amin'ny alalan'ny rohy Fanomezana eo amin'ny sidebar.

Tsiahy[hanova]

  1. Teny anglisy : Creative Commons Attribution Share-Alike