Ranomasina Mainty

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy

Ny Ranomasina Mainty dia ranomasina ao Atsimo atsinanan'i Eoropa. Ny tany mamaritra azy dia i Anatolia ary ny Kaokazy. Mifandray amin'ny ranomasimbe Atlantika amin'ny alalan'ny ranomasina Egea ary ny Ranomasina Mediteranea ilay ranomasina. Ny Ranomasina hafa mifandray amin'ny Ranomasina mainty dia ny ranomasin'i Azov, amin'ny alalan'ny Hateren'i Kerch .

Black Sea map.png

Mifandray amin'ny ranomasina Mediteranea ilay ranomasina amin'ny alalan'ny hateren'i Dardanela ary ny hateren'i Bosifaoro izay ahitana ny tanànan'i Istanbul, Torkia.

Ireo tanàna lehibe hita eo moron'ny Ranomasina Mainty dia  Batumi, Burgas, Constanța, Giresun, Hopa, Istanbul, Kerch, Mangalia, Năvodari, Novorossiysk, Odessa, Ordu, Poti, Rize, Samsun, Sevastopol, Sochi, Sukhumi, Trabzon, Varna, Yalta ary Zonguldak.