Indonezia

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Republik Indonesia ((id))
Repoblikan' Indonezia ((mg))
Saina an'i Indonezia Faneva an'i Indonezia
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Bhinneka Tunggal Ika
(vieux-javanais : « Unité dans la diversité »)
LocationIndonesia.svg
Teny ofisialy Bahasa Indonesia
Renivohitra Jakarta
6°10′5″S 106°49′7″E / 6.16806°S 106.81861°E / -6.16806; 106.81861
Tanàna ngeza indrindra Jakarta
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
Repoblika
Joko Widodo
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 15
1 919 440 km²
4,85 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 4
237 512 352[1] mpo.
119 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Indonezianina, Indônezianina
IDH (2008) Endrika:Mihidina 0,726 (atonontonony) faha 109
Sandam-bola rupiah (IDR)
Fiozao ny ora UTC +7 à +9
Hiram-pirenena Indonesia Raya
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+62

Indonezia, na repoblikan' Indonesia (amin'ny fiteny indonezianina Republik Indonesia), dia firenena eo anelanelan-kontinentan' Azia Atsimo Asinanana sy Oseania. Ny firenena Indonezianina dia tamba-nosy manana nosy 17 500, io no tamba-nosy lehibe ary mivelatra indrindra eto an-tany. Ny isam-poniny dia 240 tapitrisa mahery, firenena faha efatra be mponina indrindra Indonezia ary firenena mozilmana voalohany indrindra amin'ny lafin'ny isan'ny mpino. Ny Indonezia dia Repoblika Demokratika sy ary tsy manam-pinoam-pirenena. Jakarta no renivohi-pirenena ary anisan'ny tanàna lehibe indrindra eto an-tany.

Tamin'ny taonjato voalohan'ny taorian'i Jesoa Kristy, ny tamba-nosy indonezianina dia faritany anjadian'ny kolontsaina hindoista avy any India ary ny kolontsaina avy any avarany. Ny lehiben'ny tanàna-fanjakàna eo amin'ny amorontsiraka Indonezianina dia nisafidy ny mampiasa endrika ara-kolontsaina, ara-pinoana sy ara-politika indianina (hindoa). Ary hatry ny taonjato faha valo, nikisaka tany amin'ny fanjakan'i Srivijaya, fanjakana iray lehibe nisy tao atsimon'i Nosy Sumatra, ny afovoan'ny fifandraisan'ny Azia Atsimo sy Atsinanana. Teo Java indray dia nivoatra ny kolontsain'ny mponina mpamboly vary (noho ny fisian'ny fanjakana ary ny fianjadian'ny haifomba Srivijaya tsy lavitry ny eo) namela ny fanjakana hanamboatra tsangam-batom-pinoana. Teo no fanombohan'ny taona klasika indonezianina.

Ny lakandranon'i Melaka dia lasa toerana be mpandeha sambo satria mankeo ny ankabeazan'ny landy hovarotana any Azia Andrefana ary any Eoropa. Ny tamba-nosy Indonezianina dia mampiharo amin'ny fanaparitahana iraisam-pirenena voazakazakan'ny mpivarotra mozilmana. Mivadika slamo hatrany ny pritsin'ny seranana.

Tamin'ny taonjato faha 16, tamin'ny taonan'ny Fahitam-baovao tany Eoropa Andrefana noho ny fahitana kaontinenta vaovao, hitady lalana hankany Azia Atsimo sy Atsinanana ny hery am-pihariankarena eoropeana, mitady ny lalana hahafahany mividy episy ny eoropeana. Tamin'ny 1511, resin'ny sambo Portogey ny malay tao Melaka ary nanomboka nofeheziny ny lalana mankany Azia Atsinanana ary noho izany ny fivarotana landy sy episy. Ny Holandey no nandrsy ny Portogey tao Melaka tamin'ny 1605 ary nanomboka nozanahan'ny Holandey Indonezia nanomboka tamin'io taona io. Taona amam-polony tety aoriana, nanomboka nanjanaka nipetraka tany amin'ny Nosin'i Java ny holandey ary nataony ho renivohitra ny tanànan'i Jayakarta, novainjareo anarana ho Batavia (Jakarta ankehitriny). Potiky ny adim-pandimbiasan'ny fanjakan'i Mataram ny nosy Java ka nanome tsikelikely ny taniny tamin'ny mpanjanatany Holandey. Tamin'ny taonjato faha 19, manomboka ny fitsentsefana ara-toe-karena ataon'ny mpanjanatany Holandey, ary mametraka ny lalàny eo amin'ny tamba-nosy. Ka nipoatra tamin'ny taonjato faha 20 ny fihetsehan'ny olona tia-tanindrazana. Tamin'ny 1945, i Sukarno ary i Mohammad Hatta dia niady ary nanambara ny fahaleovantenan' Indonezia. I Sukarno no nitondra ny firenena tamin'ny 1945 ka politika sosialista no nataony ka nihanahantra dia nahantra ny indonezianina tamin'ny taona 1950. Teo aorian'ny zava-nitranga tamin'ny 1965-1966, naka ny fahefana i Suharto. Nandritry ny fanjakany, nisy ny fivoarana ara-toe-karena, fa nampitodika ny Indonezia tany amin'ny demokrasia ny fialan'i Suharto tamin'ny 1998.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Teraka tamin'ny 17 Aogositra 1945 ny Repoblikan'i Indonezia tamin'ny filazana fahaleovantenan'ny India Holandey ; i Sukarno sy Hatta no nanao io fanambarana io.

Taona nialohan'ny tantara[hanova | hanova ny fango]

Ny faritany misy ny tamba-nosy indoneziana ankehitriny dia efa nopetrahan'ny olona hoe Aborijina (karazana vazimba), roa alina taona lasa izay. Ny olona aborijina dia nipetraka tao Indonezia nandritry ny roa alina taona, tamin'izany fotoana izany, noho ny ranomandry miangona eny amin'ny tendrontany avaratra sy atsimo, ny lentan'ny ranomasina tamin'izany fotoana izany dia mbola ambany no ny lentan'ny ranomasina ankehitriny, ka rehefa nanomboka niakatra ny lentan'ny ranomasina dia lasa tany amin'ny kaontinenta Aostralianina ny aborijina. Any Papoazia ary any Melanezia no ahitana aborijina ankehitriny.

Ny Aostronezianina dia tonga tao Indonezia tamin'ny taonarivo faharoa talohan'i Jesoa Kristy hatramin'ny taona 1500 Tal. JK. Tao ny aborijina sy ny aostronezianina no nifangaro tamin'ny aborijina.

Jeografia[hanova | hanova ny fango]

Ny faritany Indonezianina
Ny saritanin' Indonezia, avy amin'ny Central Intelligence Agency.

Ny firenen' Indonezia dia tamba-nosy any Azia Atsimo Atsinanana, eo amin'ny tamba-nosy eo anelanelan'ny Ranomasimbe Indianina sy ny Ranomasimbe Pasifika (Ranomasin'i Sina Atsimo). Voazara tamba-nosy maro ny tamba-nosy Indonzaianian :

  • Ny Nosin'ny Sonde any Andrefana - voazara anelanelan'ny Nosy ben'ny Sonde any Andrefana any (Sumatra, Java, Borneo, Sulawesi) ary ny Nosy kelin'ny Sonde, nosy kely any atsimon' Indonezia avy any Bali hatrany Timaoro
  • Ny Papoazia any amin'ny farany Atsinanana.

Ny Indonezia, ankoatran'ny Papoazia, dia lazaina hoe an'ny tamba-nosy mbola ngeza, ny Insulinde.

Ny nosy ngeza indrindran' Indonesia dia Sumatra, Borneo (zarainy amin'i Malaizia sy Brunei), ny Papoazia Andrefana, ny tamba-nosin'i Sulawesi ary ny Java, nosy be mponina indrindra ao Indonezia (miisa 100 tapitrisa ny isam-poniny).

Ny Nosy Bali ihany no tena toerana itsangatsanganan'ny vahiny sy mpitsangatsangana any Indonezia.

Amin'ny nosy hafa azo soratana, azo lazaina ny Nosy Timor sy ny Nosy Flores (nisy karazan'olona vaovao hita tany tamin'ny 2003 ; ny Homo floriensis)

Toe-karena[hanova | hanova ny fango]

Politika[hanova | hanova ny fango]

Demografia[hanova | hanova ny fango]

Fiaraha-monina[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Album[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Governemanta

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. ((en)) Indonesia, CIA World Factbook, 20 novambra 2008.